IVAN ts’Ivan

Tonga namaky varavarana tao Ste Marie ny rivo-doza Ivan, ny Sabotsy 16 hifoha Alahady 17-02-08, tokony ho misasak’alina. Izahay taty Antananarivo dia vitsy no namonjy fiangonana fa avy foana ny orana. I neninay aza zara mba afaka nanararaotra kely nivoaka nanampy labozia sao tapaka ny jiro. Dia tsy nisy zavatra hafa azo natao afa-tsy ny mihaino radio sy manaraka vaovao tamin’io Alahady io. Tapaka ny jiro, tsy tadidiko hoe tamin’ny firy ora, fa tonga dia navadik’i dadanay handeha pile haingana ilay radio kely tao an-trano. Tamin’izay indrindra no nandrenesanay ny antso vonjy natao tao amin’ny RNM momba ny olona 9 tototra tao amin’ny hotely Antsara any Sainte Marie. Nisy vehivavy niantso ny dadany taty Antananarivo, fa angamba tsy nisy nandray ny antsony tany Sainte Marie tany, nety samy sahirana nieritreritra ny ainy ny olona. Io dadany io indray no nampandefa antso tamin’ny radio avy taty Antananarivo sao mba misy maheno ny fitarainany famonjena ho an-janany vavy. Ny jiro koa anefa taty Antananarivo tapaka naharitra ela. Nony niverina ny jiro dia nilaza ny tao amin’ny radio RNM fa tapaka daholo ny fifandraisana amin’ny any Sainte Marie (na finday na BLU, na lalana, sns.)
Izahay koa alina be vao natory tamin’iny alina iny noho ny tahotra, satria efa antitra ny trano ary nisiotsioka ny tafo noho ny rivotra nifofofofo sy ny orana nikija be taty Antananarivo.
Bongo maso daholo nony maraina, nefa tsy maintsy hiomana hivoaka ny trano daholo mba handeha hianatra sy hiasa nony Alatsinainy.
Misy vaovao farany foana alefan’ny radio saika isaky ny adiny iray eo ho eo, milaza ny fivoaran’ny rivodoza. Vao tamin’nyy 5 ora ny marainan’ny 18-02-08, dia efa nametraka fanontaniana matetika ny radio hoe tokony ve sa tsy tokony halefa mianatra ny ankizy. Tonga ihany anefa ny ora fiaingana fa tsy mbola mivaly ilay fanontaniana.
Maro be izahay no tonga tany amin’ny CEG fa tokony hanao fanadinana, miditra amin’ny 7h. Tany izahay vao naverina nody daholo fa hoe nofoanan’ny CISCO, hono, ny andro fianarana tamin’io 18-02-08 io syny 19-02-2008.
Nony tonga ny gazety tato an-trano dia gaga sy nalahelo ny rehetra fa hay maty daholo hono, ireo olona 9 nanaovana antso tamin’ny radio ny 17-02-08 nanomboka talohan’ny sakafo atoandro sy ny takariva iny, raha ny gazety no hita.. Nony tonga anefa ny tatitra avy any rehefa niverina ny fifandraisna sy ny fifamoivoizana an’Habakabaka dia hay tsy maty fa velona soa aman-tsara daholo ihany zareo rehetra, fa ilay vaovao no diso.
Niditra avy any atsinanana i Ivan, dia niampita niankandrefana, ary avy eo nanohy nidina nianantsimo. Tany Belo/Tsiribihina izy ny 18-02-08 hariva fa tsy mbola levona.
Niakatra be daholo ny rano manodidina ary angamba ho sahirana ireo mpitady vola amin’ny fanasàna lamba eny an-drenirano, sy ny mpaka fasika.
Nitombo be ho avo enina heny (x6), hoy ny radio ny fikorianan’ny rano ary nitondra fako sy tapa-kazo tao anaty tobin’ny JIRAMA Andekaleka ka nahatonga ny jiro ho tapaka.
Nisy olona 3 nianjeran’ny trano koa teny Ambatoroka tamin’iny rivodoza Ivan iny, saingy mba nieren-doza ka tsy maty ilay vehivavy bevohoka sy ilay zazakely, fa ilay rangahy no niantsoana pompier vao afaka tao. Miaina anaty rano Antananarivo ankehitriny, ary be ny trano rava sy ny olona tsy manana hisitrihana. Lazain’ny olon-dehibe fa iny hono no rivo-doza nahery hatrizay.
Ts’Ivan mihitsy raha toy iny foana no atao hoe rivodoza.

Étiquettes : , , ,

7 Réponses to “IVAN ts’Ivan”

  1. tomavana Says:

    Arahabaina tsy maty fo aman’aina, misaotra amin’ny fizarana ny andavan’andronao.

    Tsara fa tohizò

  2. Rivomahery Ivan : zaza Malagasy tra-boina miisa 15′000 no mila vonjy maika « malagasy Says:

    […] [Vakio koa : “IVAN ts’Ivan” –  rmstephy.wordpress.com >>] […]

  3. LUCIANO MENDE Says:

    http://aazun.blogspot.com/
    This entry was posted on février 23, 2008 at 4:25 and is filed under toetr’andro. Vous pouvez suivre toutes les réponses à cet article à l’aide du flux RSS 2.0. Vous pouvez laisser une rép

  4. Tokinao Says:

    iny lohateny Ts’Ivan iny ndray marina no tsy hitako :-). Misaotra rmstephy a

  5. rmstephy Says:

    miarahaba an’i Tokinao. Vazivazin’i Dadako no nahatonga iny lohateny iny. Aty ampiasanany aho izao no manoratra fa mandalo aty dia mihomehy fotsiny izy mahita ilay izy. Ka moa ve tsy tena ts’Ivan tokoa ary e?

  6. FOKO » Blog Archive » New Voices from the Malagasy Provinces and High School Students. Says:

    […] at the usual location for volunteers to expand on their perspectives over the post-cyclone events. Young Stephy expresses her fear over her house not holding up to the strong gusts of wind while avylavitra illustrated the damages […]

  7. Fano Says:

    ts’ivan namono ny namako tany Maroantsetr ar nahatong aretim po ho ah miits ny alaheloko az satri olontiako mants io

Laisser un commentaire