Andro goavana ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapon’ny Peace Corps ny andro 4 Mey 2012, satria dia tamin’io no notanterahana tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana fianianan’ireo 29 mianadahy mpiofana ho lasa tena mpirotsaka an-tsitrapo .
Tany amin’ny Ivon-toerana Fiofanan’ny Peace Corps any Mantasoa no nanatanterahana io lanonana io, izay natrehan’Atoa Eric Wong (Chargé d’Affaires ao amin’ny Masoivoho Amerikana), Atoa John A. Reddy (Talen’ny Peace Corps eto Madagasikara), Atoa R. Nata Robert (Talen’ny Fiofanana), ny Ben’ny tanànan’i Mantasoa sy ireo fianakaviana nampiantrano azy 29 mianadahy. Ito misy fampahafantarana kely mikasika io fikambanana io.
Inona moa ny atao hoe “Peace Corps”?
Ny Peace Corps dia fikambanan’ireo Amerikana mpirotsaka an-tsitrapo mitety ireo firenena an-dalàm-pandrosoana erak’izao tontolo izao. Azo atao hoe tamin’ny alin’ny 14 Oktobra 1960 no nanomboka nahita masoandro ny Peace Corps, rehefa nanontany an’ireo mpianatra 10.000 tany amin’ny Anjerimanontolon’i Michigan izay nialany sasatra, ny Senatora John Kennedy raha vonona hanompo ny fireneny ho an’ny fandriampahalemana amin’ny alalan’ny fanompoana ireo firenena an-dalàm-pandrosoana izy ireo. Teo no nipoiran’ny masoivohon’ny governemanta federaly mifototra amin’ny fandriampahaleman’izao tontolo izao sy ny finamànana.
Tamin’ny 1961 no tena niforona ara-dalàna ny Peace Corps ary 50 taona izao no lasa hatramin’io alina io, efa mihoatra ny 200.000 ireo mpirotsaka an-tsitrapo Amerikana miparitaka manerana ireo firenena an-dalàm-pandrosoana miisa 139 erak’izao tontolo izao.
Ny tanjony
Misy telo ny tanjona goavan’ny Peace Corps:
– Ny fanampiana ireo firenena voakasika hamaly ny filan’izy ireo amin’ny alalan’ireo olona nofanina
– Ny fanampiana ny fanandratana ny fahatakarana tsara kokoa an’ireo Amerikana any amin’ireo firenena hiasany:
– Ny fanampiana ny fanandratana ny fahatakarana tsara kokoa an’ireo olona avy amin’ny firenena hafa any amin’ireo Amerikana.
Manana teny filamatra ihany koa ny Peace Corps. Araka ny voalazan’i Eric Wong:
Hita ao anatin’ny Peace Corps ny otrikarenan’ny zanak’olombelona. Raha samy mitondra ny anjara birikintsika amin’ny fiarahamonina, tsy hisy fetra ny zavatra mety ho vitantsika. Izany no filamatry, izay ifotoran’ny Peace Corps ka hifampizaranareo rehetra eo am-panatanterahanareo ny asanareo.
Ny eto Madagasikara manokana.
Hatramin’ny 1993 izay taona nanombohan’ny tetikasa teto Madagasikara dia efa 900 mahery ireo mpirotsaka an-tsitrapo niasa manerana an’i Madagasikara, fa 140 kosa izy ireo no am-perinasa amin’izao fotoana izao. Raha ny mikasika ireto 29 mianadahy ireto manokana dia hiparitaka manerana ireo faritra samihafa eto Madagasikara izy ireo ary samy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra halehany avy. Mikasika ny tontolo iainana no tena nifotoran’ny fiofanana tamin’ity andiany ity ary hanampy ny Malagasy any amin’ny tany misy azy avy hitady vahaolana manoloana ny olana misy ankehitriny izy 29 mianadahy ireo.
Ireo zavatra mivaingana efa natsangana hatreto
Mamelabelatra mikasika ireo zava-bita Atoa Eric Wong :
Vao herinandro monja izay, nambara ny fananganana ny Foibe ara-kolontsain’i Etazonia voalohany indrindra, izay mifototra amin’ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana sy ny olon-tsotra ; ary nanokatra foibe vaovao ho an’ny tanora, ny fanaovan-gazety, ny fanabeazana, ny haikanto, ary koa foibe mandehandeha iray tamin’ny taona lasa.
Izany rehetra izany dia mifototra amin’ny fampiasam-bola ho amin’ny hoavy tsaran’ity firenena ity. Toerana mahasondriana i Madagasikara. Isan’ireo tena hafa indrindra eran-tany ny mponiny sy ny tany iainany.
Ndeha kosa hiverenantsika kely ny mikasika ilay lanonana ny 4 May 2012
Natomboka tamin’ny kabary nisesisesin’ireo manampahefana nasaina sy ireo roa mianadahy solontenan’izy 29 ny lanonana. Na teo aza moa ny hasarotry ny teny Malagasy dia tamin’io teny io no nanehoan’izy mianadahy ny kabariny. Tamin’ny tenim-paritra Tsimihety no nanaovan-dRamatoakely Leslie ny kabariny:
Atoa James Shelton kosa tamin’ny Malagasy ofisialy :
discours james :
…………………………………………………………………….
Nisy ihany koa ny karazana fampisehoana kely nataon’izy ireo niaraka tamin’ny mpampianatra Malagasy ka niangaliana ny hiran’i Mike sy Davis – Ravoravo, sy ny hiran’i Mickael Jackson – We are the world (Natao tamin’ny teny Malagasy sy Anglisy mitambatra) :
Nisy ihany koa ny fandraisam-pitenenan’ny solontenan’ireo fianakaviana tamin’izany. Niroso tamin’ny tena votoatin-dresaka amin’izay ny rehetra avy eo, dia tsy inona izany fa ny fianianana izay notarihan’Atoa Eric Wong.
Ho famaranana ny lanonana dia nanolotra maripankasitrahana ho an’ireo fianakaviana sy ny kaominina ary ny zandarmarian’i Mantasoa Atoa Erica Wong sy Atoa John Reddy.
Vita izany rehetra izany, naneho ny fihavanana tamin’ny fiaraha-misakafo ny rehetra.
Inoana fa hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Etazonia ary mamerina ny arahaba ho an’izy 29 mianadahy nahavita soa aman-tsara ny fiofanan’izy ireo.