Ny zokiko

By rmstephy

Zavatra iray nitaizan’i Dada sy Neny anay ny mba hifanampiana sy ifankatiavanay. Ary zavatra iray nolovaiko tamin’ny zokiko, nanjary fahazarana tato amiko ny mamaky boky sy mianatra. Izay zokiko izay mantsy toa olona tsy mety mitsahatra. Vao mifoha ao am-pandriana izy ny maraina, dia boky. Ny antoandro indray dia tsy mba matoritory maka aina, fa mbola boky ihany. Alohan’ny hatory dia mbola boky foana. Hany ka toa tratry ny areti-mifindra koa aho. Tamin’ny fankalazana ny faha-10 taonako teo dia vola hividianana boky no nagatahako tany amin’i Neny. Tsara ny vaky boky fa sady fialam-boly no fanitarana fahaizana. Angamba mbola vola hividianako boky koa no angatahaka amin’y faha-11 taonako. Zokiko no notahafiko.

Mots-clefs : ,

6 réponses vers «Ny zokiko»

  1. sipakv dit :

    Ndryyyy ! Dia mampatsiaro ahy fony kely ianareo ry Stephy sy Fcandy. Izaho koa mantsy dia boky foana. Vavy tokana aho fa lahy daholo ny zokiko dia tsy dia misy niara nilalao loatra, hany ka boky no lasa namako.

    Inona no mpanoratra na boky tena tian’i Stephy vakiana indrindra?

  2. lrakoto dit :

    Bonjour Stephy,

    La fievre du livre alors :) ? C’est bien l’une des seules fievres qui valent la peine d’attrapper.
    Attention juste a ne pas lire trop souvent dans la penombre ;) ….
    Bonne lecture et bonne ecriture ( de blog)

  3. trinitty dit :

    Mampanembona be mihitsy ilay izy. Mampahatsiaro ahy ny tamin’ny mbola kely mihitsy dia izaho ilay zokiny @io. Hatramizao mbola tsy afaka @ boky foana. Mahafatifaty be ianareo :-D

  4. thenonrequired dit :

    10 ans? Joyeux anniversaire alors !

  5. Tokinao dit :

    Mazotoa mamaky boky hatrany Stephy a! Tena tsara be re izany.

    Raha ny fanoratrao fotsiny aloha no jerena dia hita fa tsy maintsy ho olona tia mamaky boky sy tia fianarana e! Mahereza e

  6. sipagasy dit :

    tsy mety levona ny boky e! mahereza hatrany.

Laisser un commentaire